Accueil
Infonews
Mardi, 10. Mars 2009 - 16:13 h
Faha 5 Taonan'ny FPMA Troyes

"Inona no havaliko an’i Jehovah noho ny soa rehetra nataony tamiko ?
Hianao no hanaterako fanati-pisaorana,ary ny anaran’i Jehovah no antsoiko"
Sal 116.12 sy 17
Ry havana malala ao amin’ny Tompo,
Izany teny faneva izany indray no entinay hiarahabana antsika rehetra tratr’izao tsingerin-taonan’ ny faha Dimy taona ny Tafo Troyes izao. Feno Dimy taona amin’ity taona 2009 ity tokoa mantsy no nandraisana antsika eto Troyes ho tafo ao amin’ny FPMA. Koa dia hiara-hisaotra sy hidera an’Andriamanitra isika rehetra noho izany fitahiany sy ny fitantanany izany.
- Dia ho hatambatran-tsika ihany koa amin'ny fanateram-bokatra , izay ho tanterahantsika ny sabotsy 14 sy ny alahady 15mars ho avy izao izany rehetra izany.
- Toy izao ary ny fandaharam-potoana momba izany:
> Ny asabotsy 14 mars manomboka amin'ny 7ora hariva dia hisy takarivam-pifaliana , hiarahan-tsika mianakavy misakafo sy mikorana. Ao anatin’izany no hanatotosan-tsika ny lavantim-bokatra rehetra.
> Hisy horonan-tsary mihetsika hiarahan-tsika hijery .
> Ny sakafo hiaraha- hihinana moa dia :Vary amin’anana sy saosisy ; Hisy ihany koa ny Vary maina ho an’ireo tsy de tia loatra ny Vary amin’anana.
> Ny fandraisana anjara amin’izany moa dia natao mirary dia mirary tokoa :
7 € ny olon-dehibe
5 € ny ankizy latsaky ny 12taona
> Ny toerana dia any amin'ny salle de fete any Luyères (10150)
> Koa dia manantena ny fahatongavan-tsika maro tokoa,fa fetin-tsika mpianakavin’ny finoana io.
NB : Afaka mandray anjara izay te-handray anjara amin'ny takariva fa mila misoratra mialoha mba hisian’ny fandaminana rehetra.
> Ny alahady 15 mars indray dia hisy fotoam-pivavahana lehibe izay entin-tsika hideràna an’Andriamanitra ,ary hanasan-tsika vahiny maro mba hiara-paly amin-tsika ihany koa.
> Ny toerana moa dia ao amin'ny ERF toy ny mahazatra ihany. Hatomboka amin'ny 3 ora tolan-kandro izany.
> Izany rehetra izany dia ho faranàna amin'ny Fandidiana sy Fizaràna Mofo Mamy (gâteau d’anniversaire).
Dia ho an’Andriamanitra irery ihany ny Dera sy ny Laza amin'ny izany rehetra izany
Ny Komity
Dernière modification apportée le vendredi 13 mars 2009 à 10:53:37.
